Araka ny hitantsika dia maro be ireo hira ato anatin’ity takelaka ity. Mbola maro koa nefa ny mbola tsy tafiditra ato. Tena mbola vitsy ireo feon-kira tafiditra ato. Mangataka fanomezan-tanana amin’ireo tsara sitrapo ka vonona hanampy, indrindra fa amin’ny fahazoana feon-kira afaka hanampiana izay kely efa ato anaty takelaka.
Tsy tonga dia alefa ny feon-kira fa mandefa hafatra sy laharana finday amin’ny adiresy mailaka eto ambany dia tompon’andraikitra mamaly ny hafatra, mandray ny antso na mamerina miantso avy eo :
Misaotra mialoha ary mankasitraka sahady amin’ny fiaraha-miasa.
Ity takelaka ity dia natokana indrindra ho an’ireo Fiangonana na Fikambanana Katolika, eto an-toerana na any ivelany, izay efa manao na mikasa hanao seho (Projection) mandritra ny Sorona Masina na fotoam-bavaka hafa. Hita ato amin’ity takelaka ity ny seho mifandraika amin’ny Alahady sy Andro Fety araky ny tetiandro katolika sy ny vaninandro (taona), ary koa ireo hira izay hita ao anatin’ny Fihirana Katolika, miampy hira samihafa vitsivitsy sy tonombavaka samihafa. Ity takelaka ity no narafitra, dia mba hanampiana ny fanarahan’ny mpino Katolika ny Litorzia, ny Tenin’Andriamanitra ary ny hira izay atao mandritra ny Sorona Masina sy fotoam-bavaka.
Etsy ankilany, azo atao koa ny mihaino sy misintona feon-kira amin’ny clé USB ho an’izay mila izany. Ny feon-kira moa dia azo alefa ao am-piangonana mandritra ny Sorona Masina na ny famerenan-kira amin’ny alalan’ny Bluetooth ho an’izay manana ny fitaovana mifandraika amin’izany.
Izany rehetra izany dia atao ho fitondrana anjara biriky amin’ny fampandrosoana hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra.

Lemon Casino PL